<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><author>J. Zundel</author>
<title>Tompo tia o, midina FFPM458</title>
<lyrics>[V1]
 Tompo tia ô, midina,
 Mitoera aminay,
 Ka fenoy fifaliana
 Ao anatin'ny fonay.
 Hianao, ry be fiantra,
 Tomponay Mpamindra fo,
 No mpamangy ny mahantra,
 Ka midira ao am-po.

[V2]
 Aoka re ny fofon'ainao
 Hahavelona anay,
 Hanahafanay ny sainao
 Hampiadana anay.
 Ny fitiavanay ny ota
 Mba vonoy, ry Tomponay,
 Manafaha anay mpanota,
 Ry Andriamanitray.

[V3]
 Ny mpanomponao ampio
 Mba handraisany Anao,
 Aza afoy fa mba tahio,
 Aoka ho tempolinao,
 Hianao no hotompoinay,
 Ry Andriamanitra,
 Hianao no hoderainay
 Hatrarý an-danitra.

[V4]
 Tanteraho ao am-ponay
 Ny fiainana vaovao,
 Ny fanahy sy ny sainay
 Mba fenoy ny herinao,
 Amboary sy havaozy
 Isan-andro izahay
 Mandra-pahatonga any
 Aminao mandrakizay.</lyrics>
<hymn_number>458</hymn_number>
</song>